Hebrews 13

1Aoka hitohy ny fitiavana ara-pirahalahiana. 2Aza manadino ny fampiantranoana ireo vahiny. Fa tamin’ny alalan’izany, no nanehoan’ny sasany fampiantranoana ireo anjely nefa tsy fantany izany.

3Tsarovy ireo voafonja, toy ny hoe niara-nifatotra tamin’izy ireo ianareo. Tsarovy ireo izay nampahoriana, toy ny hoe izy ireo ihany koa ianareo amin’ny vatana. 4Aoka ho hajain’ny tsirairay ny fanambadiana. Aoka ny fandrian’ny fanambadiana mba hadio, fa Andriamanitra dia hitsara ireo mpangala-badin’olona sy ireo mpijangajanga.

5Avelao ny fitondran-tenanareo ho afaka amin’ny fitiavam-bola. Mifalia amin’ireo zavatra izay hanananareo, satria Andriamanitra tenany dia niteny hoe: “Izaho dia tsy handao anareo mihitsy, na hahafoy anareo akory.” 6Aleo isika ho faly mba ho sahy hiteny hoe: “Ny Tompo no Mpamonjiko; ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?”

7Hevero ireo mpitarika anareo, ireo izay niteny ny Tenin’Andriamanitra taminareo, ary hevero ny vokatrin’ny fihetsik’izy ireo. Alao tahaka ny finoan’izy ireo. 8Jesosy Kristy dia tsy miova omaly, sy anio, ary mandrakizay.

9Aza manaiky taomina amin’ireo karazana fampianarana hafahafa. Fa tsara raha tokony hamafisina amin’ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ny hanina izay tsy manampy ireo izay mandeha miaraka amin’izy ireo. 10Isika dia manana alitara izay tsy ananan’ireo izay manompo ny tabernakely fahefana hihinana. 11Fa ny ràn’ireo biby novonoina atao fanatitra ho an’ny ota dia nentin’ny mpisoronabe tao amin’ny toerana masina, nandritr’izany ny vatan’izy ireo dia nodorana tany ivelan’ny toby.

12Noho izany Jesosy ihany koa dia nijaly tany ivelan’ny vavahadin’ny tanàna, mba hanamasina ireo vahoaka amin’ny alalan’ny ràny manokana. 13Andeha isika noho izany ho any Aminy any ivelan’ny toby, hitondra ny fahafam-barakany. 14Fa tsy manana tanàna maharitra isika ety. Fa kosa, miandry ilay iray izay ho avy isika.

15Amin’ny alalany, ary, dia andao isika hanolotra ireo fanati-piderana ho an’Andriamanitra hatrany, fiderana vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. 16Aleo tsy adinointsika ny manao ny tsara sy manampy ny tsirairay avy, fa amin’ny fanatitra tahaka izany no tena mahafaly an’Andriamanitra. 17Mankatoava sy maneke ireo mpitarika anareo, fa izy ireo no miahy ny fanahinareo, tahaka ireo izay hanao tatitra. Mankatoava mba hanao izany am-pifaliana ireo mpitondra anareo, fa tsy am-pisentoana, izay lasa tsy misy dikany ho anareo.

18Mivavaha ho anay, fa izahay dia nino fa manana feon’ny fieritreretana madio ary maniry hiaina am-pahamarinana ny zavatra rehetra. 19Manosika anareo bebe kokoa aza aho mba hanao izany, ka mba hiverina faingana aminareo aho.

20Ary ilay Andriamanitry ny fiadanana, izay nanangana tamin’ny maty ilay mpiandry ondry lehibe, ny Tompontsika Jesosy, tamin’ny alalan’ny ràn’ny fanekena mandrakizay, 21dia hanatsara anareo amin’ny asa tsara rehetra mba hanaovana ny sitrapony. Izy anie hiasa ao anatintsika izay tena ankasitrahana eo anatrehany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izay homena ny voninahitra mandrakizay. Amena.

22Ary mankahery anareo aho, ry rahalahy, mba hizaka ny tenin’ny fampaherezana izay nosoratako fohy ho anareo. 23Fantaro fa efa nafahana Timoty rahalahintsika, izay hiaraka amiko hijery anareo raha tonga aloha izy.

24Ataovy veloma ireo mpitarika anareo rehetra sy ireo mpino rehetra. Ireo izay avy any Italia dia manao veloma anareo. 25Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

Copyright information for PltULB